Antenimieram-pirenena #Madagascar: « sakoroka » tao Tsimbazaza ny alin’ny alarobia 10 Jolay 2024

Real TV Madagasikara
Real TV Madagasikara
14.6 هزار بار بازدید - ماه قبل - Antenimieram-pirenena : Saika tonga tamin’ny
Antenimieram-pirenena : Saika tonga tamin’ny fifampikasihan-tanana ny fifamaliana teo amin’ny solombavambahoakan’ny Firaisankina ao Toliara I Siteny Randrianasoloniaiko sy  ny solombavambahoaka IRMAR ao Toliara I Tinoka Roberto nandritra ny fandaniana ny fanitsiana ny « Reglement Interieur » ny Antenimierampirenena ny alin’ny alarobia 10 Jolay. Ny fifamaliana teo amin’ny solombavambahoaka tsy miankina voafidy tao amin’ny Boriborintany fahatelo Gascar Fenosoa sy ny solombavambahoaka IRMAR voafidy tao amin’ny Boriborintany voalohany Augustin Andriamananoro no niantombohan’io « sakoroka » tao Tsimbazaza io. Nifamitram-pihavanana moa androany i Augustin Andriamananoro sy Gascar Fenosoa andaniny, sy Tinoka Roberto sy Siteny Randrianasoloniaiko ankilany.
ماه قبل در تاریخ 1403/04/21 منتشر شده است.
14,602 بـار بازدید شده
... بیشتر