BAOMIJIJY LIVE par LOLO SY ny tariny

Lolo Sy Ny Tariny
Lolo Sy Ny Tariny
161.2 هزار بار بازدید - 9 سال پیش - Paroles et musique : Angelo
Paroles et musique : Angelo RAKOTOMANGA (Lolo SY)
Guitares Lolo SY, Farah RAMANANTOANINA
Percussions :  Dominique ANDRIANJAKA
Voix : Bebey, Benny RABENIRAINY, Lolo SY

L'histoire des 400 coups de deux gamins à travers les "buissons" de l'enfance, de la vie...Une relation dominant-dominé...déja... !!!

Fa tsaroako ireo lalao
Tany anaty lobolobo
Tapakazo no mba basy tamin' izany
Ialahy ilay rôle nanenjika, nandresy
Izaho ilay bandy maty, resy hatrany

Akandasitra lery no nifanekena
fa nahoana ny an’ialahy no tena izy
Ireo kanety nobakoiko ny maraina
Lasana any tapitra, tsy nisy

Angamba, angamba, angamba maty lolo
Matoa mbola niaritra an’izany
Ialahy ilay hazo tsara kolokolo
Etsy  akaiky aho bozaka mandady

Halabotry sy ny ditra Ary niampy vanga-bao
Zany letsy no niarahana nanao
Nahoana ialahy no tsy voakasikasika
Zaho kanefa feno tako-pery

Raha vao lasa i Baomijijy
ka mitondra zinga kely
Ka mivadika atsy ambadiky ny trano
Ialahy natao antsangory, ka afaka nijery
Izaho avy ato ambany maminany!

Angamba, angamba, angamba maty lolo
Matoa mbola niaritra an’izany
Ialahy ilay hazo tsara kolokolo
Etsy  akaiky aho bozaka mandady

Toy ny amponga tsara rindra
Niaraka nidobodoboka Ny fontsika tamin'i Baomijijy
Ny azy ny safidy vita hatrany am-piandohana
Izaho voahozona hitan-jiro

Ny valalantsika koa, tsy mba hoe nifanapahana
Fa lasan’ialahy manontolo
Aleo ary aho
hametraka veloma
Any ankoatra indray angamba mihaona

Mazava, mazava ny làlana hodiaviko
Tsy misy tsindry aloka intsony
Mazava, mazava ny làlana hodiaviko
Tarafin’ny masoandro avy any ambony...

Fa tsaroako ireo lalao Tany anaty lobolobo Tapakazo no mba basy tamin' izany Ialahy ilay rôle nanenjika, nandresy
Izaho ilay bandy maty, resy hatrany
9 سال پیش در تاریخ 1394/06/30 منتشر شده است.
161,211 بـار بازدید شده
... بیشتر