Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo (Hira Katolika Malagasy)

VAVAKA HIRA KATOLIKA
VAVAKA HIRA KATOLIKA
27 هزار بار بازدید - 2 سال پیش - 👉👉HIRA FANEVA
👉👉HIRA FANEVA FAHA-75 TAONA Institution...


Karine Dera p. "423
Fihirana Hasina p. "413
1. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo,
Fa nanosotra hitory vaovao mahafaly
Amin'ny malahelo sy naniraka ahy
Hankahery izay torotoro fo.


Ampio aho, tantano am-pitiavana aho, Jesoa o.
Fa raha ny heriko ihany dia ho kivy an-dalana aho
Hanatontosa ny irakao no mamiko
Fa omaly, anio ary mandrakizay
Tsy miova ianao, Jesoa o.


2. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo,
Hitoriako fahafahana amin'ireo izay voafatotra
Fahiratana ho an'ny jamba ary koa fahafahana
Amin'ireo izay ampahoriana


3. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo,
Mba hampionona izay tra-pahoriana rehetra
Ao anatin'ny fanompoana sy fandavan-tena
Am-pitiavana hatramin'ny farany
2 سال پیش در تاریخ 1401/02/27 منتشر شده است.
27,066 بـار بازدید شده
... بیشتر